VAOVAO TAMBATRA

Mitotaly 64 500 m³ ny solika hoentin’ilay sambo Torn Elise, izay ho tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, rahampitso. Hetsika tohin’ny fanambarana nataon’ny “Groupement pétrolier de Madagascar” (GPM) tamin’ny 9 sy 11 avrily mahakasika ny famatsiana solika eto amin’ny firenena. Miantso ireo mpisehatra samihafa ihany koa ny GPM mba hamaly ny filana sy ny famatsiana ny mpanjifa, araka ny andraikitra sahaniny.

Vita sonia ny fifanarahana momba ny fandaharanasa amin’ny Firenena (PCP) sy ny fikambanan’ny firenena mivondrona ho an’ny fampandrosoana indostrialy (ONUDI). Maharitra efa-taona izany ahafahana manova ny fahafahana ara-indostrialin’i Ma­da­gasikara ho vokatra azo tsapain-tanana. Hason­gadina manokana ireo sehatra manan-danja toy ny indostrian’ny fambolena, ny fandraharahana, ny angovo maitso, ny fampandrosoana ny fahaiza-manao ary ny fidirana eo amin’ny tsenam-paritra.

Voaresaka nandritra ny fivoriana ho fandrindrana ny fandaharanasa PCD2 “Honko Mamelonjafy”, tao amin’ny faritra Diana ny drafitrasa mandritra ity taona ity. Tanjona ny hamaly ny filana fototry ny vahoaka eny ifotony ka hitsinjovana hatrany ireo harena voajanahary an-dranomasina ho tsara tantana sy ho lovainjafy.

Partager sur: