Vidin-tsolika : Niakatra 200 Ar mandritra ny volana mey

Mitovy vidy tamin’ny volana febroary ny vidin-tsolika mandritra ny volana mey. Niakatra 200 Ar avokoa ny litatry ny lasantsy, gazoala ary ny solika fandrehitra.

Nisondrotra 200 Ar avokoa ny litatry ny solika mandritra ny volana mey. Fiakarana nihatra nano­mboka ny alin’ny sabotsy hifoha alahady. Vidina 5 100 Ar/ litatra (l) ny lasantsy (Super Carburant) raha toa ka 4 900Ar nandritra ny volana avrily. Lasa 4 860 Ar/l ny gazoala izay novidiana 4 660Ar teo aloha. Vidiana 3 710 Ar/l ny solika fandrehitra (Pétrole lampant) izay 3 510 Ar teo aloha.
Mitovy tamin’ny volana febroary ny vidin-tsolika amin’ity volana febroary ny vidin-tsolika mihatra amin’izao fotoana. Nisy fidinana 200 Ar/ l isanisany izany nandritra ny volana marsa. Tsy nihetsika kosa nandritra ny volana avrily taorian’ny fampiatoana ny rafitra fanitsiana ny vidin-tsolika nifanarahana tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI).

Zava-misy iraisam-pirenena

Nanazava ny minisitry ny angovo sy ny akoranafo, fa “tsy mifanaraka amin’ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vidiny mihatra eto Madagasikara”. Na izany, mila atao mifanaraka amin’ny fahefam-bidin’ny Ma­la­gasy, hoy izy ny vidin-tsolika eto amintsika. Ankilany, fepetra noraisin’ny fanjakana ny fidirana tamin’ny hamehana ara-angovo nandritra ny 15 andro.
Natao izany nandinihina ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy hamaritana ny vidin-tsolika teto amintsika. Paikady izay navaozina indroa miantoana nandritra ny volana avrily teo. Hetsika izay niteraka korontana teo amin’ny mpanjifa sy ny famatsiana teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra. Marihina fa raha oharina tamin’ny febroary ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena (Prix FOB) amin’ity volana mey ity dia niakatra toy izao. Lasa + 49,3% ny vidin’ny lasantsy raha tsy niova ny vidin-tsolika eto Madagas­ikara. +134,4% kosa izany ho an’ny solika fandrehitra raha tsy niova ny vidiny eto amintsika. Maherin’ny + 137,1% ny vidin’ny gazoala raha tsy nisy fiovana ihany koa ny vidiny eto Madagasikara.

Henintsoa

Partager sur: