Antsirabe I sy II : Sekoly efatra nahazo fotodrafitrasa vaovao

Fotodrafitrasa vaovao efatra momba ny fanabeazana no notokanana tao Antsirabe I sy II, ny faran’ny volana lasa teo, ao anatin’ny tetikasa “Anjara”, tohanan’ny Vondro­na eoropeanina. Tanjona ny hampisitraka zo ireo zaza amin’ny fanatsarana ny fahazoana fanabeazana any an-dakilasy. EPP Tsivatri­ni­kamo, CEG Tsia­fahy, EPP Fiadana­na ary CEG Andrano­ma­­ne­latra no niantefan’ny tetikasa. Efitran-tsekoly, toerana manokana ho an’ny mpanabe, toeram-pivoahana ho an’ny mpianatra ary nosarahana ny an’ny ankizivavy sy ny ankizilahy, no noraisina tamin’izany. Natao manaraka ny fenitra azon’ny olona manana fahasembanana ara-batana hivezivezena ny fotodrafitrasa re­hetra, araka ny fanazavana azo.
Tombanana hitondra vo­ka­tra tsara amin’ny tahan’ny fanadinana sy hampihena ny tsy fisitrahana fanabeazana, indrindra ho an’ny zatovovavy sy ny olona manana fahasembanana ny fotodrafitrasa na­petraka. Misahana miaraka ny tetikasa ny fikambanana SOS Village d’Enfants, ny Action Education ary ny Vo­vonan’ny firaisamonimpirenena misahana ny ankizy (PFSCE). Mano­hana ny tetikasa kosa ny vondron’olona eny ifotony sy ny Feffi.
Ho fanamafisana ny fanohanana ny mpampianatra sy ny kalitaon’ny fanabeazana, nambaran’ny minisitry ny Fa­nabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, fa horaisina ho mpiasam-panjakana raikitra ireo mpampianatra Fram miisa 18 miasa amin’ireo sekoly voakasika.

Vonjy

Partager sur: