CHUJRA : Misokatra andro aman’alina ny sampana fandidiana maika

Asa miankina aman’aina ny ao amin’ny sampandraharahan’ny fandidiana maika, ao amin’ny CHUJRA. Ireo tena mila izany noho ny loza mitranga no raisina an-tanana voalohany.

Mampahafantatra izany fisokafana andro aman’alina izany ny lehi­ben’ny sampandraharaha mi­sahana ny fandidiana maika eo amin’ny hopitaly CHU JRA, ny profesora Rakotoarison Nicole. Varavarana voalohany handraisana ny marary tonga eo amin’ny hopitaly izay mila vonjy maika ity toerana ity. Mizara telo ny sampandraharaha: ny fisokajiana ireo marary tonga ao, ny famonjena maika ireo mila izany ary ny fandraisana ireo avy nodidiana.
Tsy maintsy mandalo fisokajiana ny marary tonga ary eo no fantatra ireo mila raisina haingana sy handefasana azy amin’ny sampandraharaha hafa, afaka mandray azy, arakaraka ny tranga. Misy ihany koa ny toerana handraisana avy hatrany ireo marary izay misy loza mitatao ka tsy maintsy raisina eo no ho eo, hanavotana ny ainy.
Ny sampana Famelomana aina indray dia ho an’ireo marary izay efa vita fitiliana ka mila fandidiana na ireo avy nodidiana ka mila famelomana. Miara-miasa akaiky amin’ny efitrano fandidiana izany.
Ny sampandraharahan’ny vonjy taitra dia misokatra andro aman’alina ary mandray marary tsy tapaka ny ekipa izay efa manao fandrindrana asa ao aminy.
Amin’ny maha Vonjy taitra ara-pandidiana ny sampandraharana dia ireo olona mila izany maika no tena raisina an-tanana. Anisan’izany ireo voan’ny dona na ratra tsy maintsy mety hanafak’aina raha miandry ela. Raisina an-tanana maimaimpoana avokoa ny marary rehetra. Ny fanafody sy ny fitiliana kosa dia misy sarany. Tsy andoavam-bola ny mpitsabo.
Misy hatrany kosa ny fitsaboana voalohany izay maimaimpoana saingy tsy main­tsy vidiana ny fanafody rehetra ampiasaina aorian’izay.
Raha sendra aretina mila fandidiana na mampiahiahy, tokony hanatona ny sampandraharahan’ny fandidiana maika ao amin’ny CHU HJRA.

Tatiana A

Partager sur: