Fandaharanasa IVLP : Malagasy telo mianadahy sangany

Nahomby ny fandraisan’ireo Malagasy mpitarika anjara tamin’ny fandaharanasa fifanakalozana “International Visitor Leadership Program (IVLP)» natao tany Etazonia. Nandray ny taratasy manamarina izany izy ireo, ny herinandro teo. Nisitraka izany ny Dr Volatiana Andriananja, i Richard Andrianavalomahefa, ary i Tsitohaina Arthur Ralihivao, izay samy tafaverina eto an-toerana.
Vonto traikefa sy vonona hampihatra ny fahalalana sy fahaiza-manao vaovao azony avy any Etazonia ireto mpitarika ireto. Nitsidika andrimpanjakana lehibe maro tany Etazonia izy ireo. Nijery sy naka traikefa tamin’ireo soa fianatra momba ny fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, ny fiarovana vakoka sy haren-tsaina ary ny paikady hiadiana amin’ny famarinan’olona ihany koa.
Nifandray tamin’ireo mpisehatra matihanina amerikana, namboly fifandraisana maharitra, ary namolavola drafitrasa mazava ho an’ny tohin’ny asany eto Madagasikara izy telo mianadahy.
Ny IVLP izay fandaharanasa fifanakalozana matihanina lehibe indrindra an’ny departemantam-panjakana amerikanina, mampifandray ireo mpitarika vao misandratra amin’ireo mpiray sehatr’asa aminy any Etazonia.

Tatiana A

Partager sur: