Sehatra tsy miankina : Hiakatra ny karama farany ambany

Andrasana amin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana hamerana ny karama farany ambany andraisana mpiasa (SME) ho an’ny sehatra tsy miankina. Tolona efa nataon’ny sendikan’ny mpiasa hatry ny ela.

Efa vitan’ny minisiteran’ny Asa, ny fampanananasa, ary ny asam-panjakana sy hatolotra hodinihina eo amin’ny filankevitry ny mi­nisitra ny didim-panjakana fampiharana (décret d’application) mahakasika ny karama farany ambany ho an’ny sehatra tsy miankina, araka ny fa­nambaran’ny minisitera. Nila­za ihany koa ny minisitra Denis Franconio Mac fa “tsy maintsy hiakatra ny karama farany ambany eny amin’ny sehatra tsy miankina amin’ity taona ity”, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Asa, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Ma­ha­masina, ny zoma lasa teo. Mitohy ny dinika fifandresen-dahatra eo amin’ireo mpisehatra, enti-manatsara ny fiakarana nankatoavina. Tsy mbola voafaritra ny fiakarana, tsy mbola fantatra ihany koa ny fanapahan-kevitra nifanarahan’ireo mpisehatra. Manantena hamaly ny fangatahana natao ny sendika hanohanana ny mpiasa malagasy sy ny sehatra tsy miankina.
Marihina fa nilanja sorabaventy naneho ireo filamatra sendikaly avy eny Ambohija­tovo nanjohy an’i Mahamasina ny mpiasa marobe, ny 1 mey teo. Hetsika notarihin’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana Jeannot Ruffin, ny minisitry ny Asa, ny fampanananasa ary ny asam-panjakana. Notronin’ireo olom-boafidy sy mpikambana eo anivon’ny governemanta.

Toekarena
Tsiahivana fa tolo-kevitra naroson’ny sendika ny hampiakarana ny SME ho 360 000Ar raha toa ka tapaka nandritra ny dinika natao ny volana febroary fa ho 300 000 Ar izany. Ity farany izay nolavin’
ireo sendikan’ny mpiasa ka antony namerenana ny dinika indray teo amin’ny sendikan’ny mpiasa, ny vondron’ny mpampiasa ary ny fanjakana.
Fototra mampihodina ny toekarena ny sehatra tsy mi­ankina, noho izy mamorona asa sy mamelona fianakaviana maro ary mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny harin-karena faobe.

Henintsoa

Partager sur: