TSELATRA

Tontosa ny 18 avrily 2026 teo ny lanonana ara-miaramila nanomezana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national” sy fampiakarana ho “Sergent” an’i Kaporaly Evoadraza. Namoy ny ainy, nandritra ny fanarahan-dia ireo omby 200 lasan’ny dahalo ny 31 desambra 2025, tao Beravy kaominina Tsihanisiha, distrika Toliara II, izy. Nitarika izany ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika ary ireo manamboninahitra jeneraly maro.

Namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy teny Antanifotsy, ny mpandihin’ny tarika Jean Aimé. Avy nanao seho tany amin’ny kaominina ambohimahazo, disitrikan’i Manandriana, faritra Ambositra, izy ireo. Voan’ny torimaso fotsy ny mpamily ka niala lalana ny fiara nentiny. Nentina tany amin’ny hopitaly Antanifotsy ireo naratra rehetra, saingy tsy maintsy nalefa eny amin’ny hopitaly Homi Soavinandriana. Efa nody ary manaraka fitsaboana any an-trano kosa i Jean Aimé, omaly.

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Avaradrano, ny alakamisy lasa teo ny lehilahy iray 32 taona, malaza amin’ny harom-paosy eny Sabotsy Namehana. Voasambotry ny Polisim-pirenena miasa ao amin’ny komisaria foibe Avaradrano, ny 27 avrily 2026, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva, izy io. Nanendaka mpandeha tao anaty taxi-be zotra H, lasany tamin’izany, ny finday iray ary mbola tratra teny aminy nandritra ny fisavana.

Partager sur: