VAOVAO TAMBATRA

Nogiazana ireo dipoavatra mena milanja 5 kilao tratra tamin’ilay tovolahy nividy izany mialoha ny fisokafan’ny fotoam-pamarotana. Tsy nanana taratasy ahafahany manao izany izy ka nandraisana fepetra. Sarotiny amin’ny fanajana ny fitsipika mifehy ny varotra dipoavatra mena ireo mpisehatra sy tomponandraikitra rehetra voakasika. Niaiky ny hadisoany ny tovolahy rehefa nohazavaina taminy ny lalàna tokony harahina.

Hasongadina mandritra ny Foire internationale de Madagascar (Fim), ny 7 ka hatramin’ny 10 mey izao, ny finiavana hampandroso ny firenena. Havoitra manokana mandritra ny efatr’andro hanaovana ny hetsika ny fandraharahana izay fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Sehatra lehibe ahafahan’ny rehetra mifampizara traikefa sy manangana fiaraha-miasa ny Fim. Na ho an’ny matihanina na ho an’ireo mpandraharaha vao manomboka izany.

Manomboka mihen-danja indray ny vola ma­lagasy. Tao anatin’iray volana, nahazo aina ny vola euro. Omaly, nisanda 4 839,61 Ar ny euro iray eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Miantraika eo amin’ny toekarena ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manampy trotraka ihany koa ny vidin-tsolika izay efa miakatra maneran-tany. Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana ny isan-tokantrano.

Partager sur: