Natao tany Kinshasa RDC, ny 5 mey teo, ny atrikasa lehibe ho an’ny fifandraisan-davitra, andiany voalohany. Nanao antso avo ho an’ny governemanta aty afrika i Daddy Mukadi, talen’ny Fitsipi-dalàna ao amin’ny Airtel Africa, sady filohan’ny asam-baomieran’ny GSMA Afrika. Tsy mijanona ho seha-pihariana manohana fotsiny ny fifandraisan-davitra fa efa tena sehatra stratejika manan-danja. Ao anatin’izany ny fanafainganana ny fampidirana ny niomerika aty Afrika. Satria, efa ampiasana ny teknolojia niomerika avokoa ny sehatra rehetra, toy ny fandriampahalemana, ny fitantanam-bola, ny fahasalamana, sns.
Araka ny tatitry ny Mobile Economy Africa 2025 ny GSMA, nahatratra 220 miliara dolara ny fampiasam-bola ho an’ny sehatry ny finday teto Afrika, ny taona 2024. Manome ny 7,7% ny harinkarena faobe PIB io, ary hiakatra ho 270 miliara dolara amin’ny taona 2030. Mampiasa finday ny 95% ny afrikanina, saingy ny 75% ny mponina ihany no ahitana tambajotram-pifandraisana. Fanamby lehibe ny hamenoana io elanelana io, ka maika ny fanapariahana ny tambajotra.
Hamoraina ny smartphones
Nomarihin’i Mukadi fa anisan’ny sakana ny halafon’ny finday smartphones, ny hetra alaina amin’ny fanafarana fitaovana amin’ny fifandraisan-davitra. Vahaolana narosony ny fanafoanana ny haban-tseranana amin’ny fanafaran’entana ho an’ny smartphones tsara kalitao, izay manodidina ny 40 hatramin’ny 150 dolara, mandritra ny roa na telo taona. Ilaina ny fiaraha-miasa akaikin’ny governemanta sy ny tsy miankina, hanatanterahana ireo.
Njaka A.




