Ampasampito : Mpamaky fiara voasambotry ny polisy

Nosamborin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny CSP3 Antaninandro ny lehilahy mpamaky fiara sarona teo Ampa­sampito, afakomaly. Fiara an’olon-tsotra nipetraka teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara nanaovan’io lehilahy io ny asa ratsiny. Tsy nisy olona tao anatin’ny fiara ka nosokafan’ilay jiolahy an-keriny. Na­lainy avokoa ny entana noheveriny ho sarobidy tao anatin’io fiara io. Nasitriny tao anatin’ny tany kanjo nisy nahita. Nampandre avy hatrany ny manam-pahefana ny tsara sitrapo nahita io zava-nitranga io. Niroso tamin’ny fisamborana ilay mpamaky fiara ny ekipan’ny polisim-pirenena mia­sa teny an-toerana. Tsy afa-nandositra, noraisim-potsiny io nahavanon-doza io. Tafave­rina avokoa ny entana nangalariny ary nentina nihazo ny kaomisaria an’ny polisy atao famotorana izy. Raha tsiahivina, fiara iray hafa vaky ka lasan’ny olon-dratsy ny entana tao anatiny teny Maha­masina, ny herinandro lasa teo. Tsy tratra ilay jiolahy tamin’io fotoana io. Manjaka ireo mpamaky fiara eto an-dRe­nivohitra ka ilaina hatrany ny fahamailon’ny tsirairay.

Tsiferana R.

Partager sur: