Fikambanan’Imady Miray : Hatao eny amin’ny Coliseum ny savika

Hiakatra sehatra ambonimbony kokoa ny kolontsaina savika, karakarain’ny fikambanan’ny terak’Imady Miray eto Antananarivo. Amin’ny 31 mey izao, hisy ny hetsika ao amin’ny Coliseum Antsonjombe, miaraka amin’ny kolosavika, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny fikambanana Imady Miray na Imianta, i Tahianja­nahary Davida.
Hanao adisisika amin’ny fampidirana ity kolontsaina ity ao anatin’ny vakoka mihitsy aza ny fikambanana, araka ny fanazavana hatrany. Tanjona ny hanomezan-kasina ny kolon­tsaina sy hisarihana mpizahatany ka ho tonga mpampidi-bola vahiny eto Mada­gasikara.
Ankoatra ny maha kolontsaina azy, fanamafisana ny firaisankina ihany koa ny savika. Ampiakarina eto an-dReni­vohitr’i Madagasikara ity ko­lon­tsaina ity ho fantatry ny rehetra. Any amin’ny faritra Amoron’i Mania no tena mpanao ny tolon’omby, izay manana ny mampiavaka azy miohatra ny tolon’omby any amin’ny faritra hafa.
Samy hafa ny omby fanaovana savika sy ny ombin-tsarety miasa. Na eo amin’ny sakafo omena azy ireny aza ary miavaka ny fikarakarana sy ny fanazaran-tena. Ireo omby efa zatra savika mihitsy no entina hiakatra eto Antana­narivo, avy any Amoron’i Mania mihitsy.

Tatiana A

Partager sur: