INDRAY MIJERY

Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona. Ny asan’izy ireo izay fototra iorenan’ny fiarovana ny ain’ny reny sy ny zaza ary anisan’ ny singa lehibe amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy. Tanterahina any amin’ny faritra Anosy ny ivon’ny fankalazana.

Manentana ny ray aman-dreny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hanatitra ny kopia nahaterahana ho an’ireo zanany any an-tsekoly, mialoha ny 31 mey. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fanisana mpianatra sy fitantanana ara-niomerika (enrôlement biométrique) izany.

Manamarika ny Med’s Event, andiany faha-11, ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny fianarana ho mpitsabo eny amin’ny Oniversiten’­ Antananarivo. Hetsika manan-danja sy ireharehan’izy ireo mihitsy izany. Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny oniversiten’­ Antananarivo rahateo.

Partager sur: