Natsangana ny firaisankinan’ny mpitatitr’olona sy entana manerana ny Nosy. Ivondronan’ny mpitatitra amin’ny zotra an-dRenivohitra, nasionaly, rezionaly ary ny taxi ville, miaraka amin’ny mpitatitr’entana izany.
Marary ny fitaterana eto Madagasikara! Nitambatra ho vovonana iray ny mpitatitra. Hitondra feo tokana ho an’ny mpikambana no antom-pisiany. Lasa faralahy amin’ny fandraharahana ny fitaterana, araka ny voalazan’ny mpitondra teny, Rakotonirina Emile, filohan’ny UCTU, omaly, teny Alasora. Tsy asa fanompoana fotsiny ny fitaterana olona sy entana fa fandraharahana. Tokony hipetraka amin’izay afaka manome fahafaham-po ny mpanjifa. Tsy mitaky fanampiana avy amin’ ny fanjakana ny mpitatitra manoloana ny zava-misy. Mila fifampiresahana kosa satria mamelona ny toekarena io asa fitaterana io eto amintsika, raha ny fanambarana nataon’ ny mpitatitra.
« Ho an’ny saran-dalana, tsy afaka manao ny kajy amin’ny maha mpandraharaha ny mpitatitra fa izay tapaky ny mpitondra no ampiharina na tsapan’ny fanjakana aza fa mibaby fatiantoka ny fitaterana », hoy hatrany ny nambaran’ny mpitondra teny.
Betsaka ny olana sedrain’ ny mpitatitra toy ny hetra, ny faharatsian’ny lalana izay mampitombo ny vola mivoaka, ary ny didy mivoaka mahakasika ny fitaterana tsy nifampiresahana mialoha tamin’izy ireo.
Midinika
Manomboka ny dinika amin’ny mpitondra, ankehitriny. Efa nandroso vahaolana hanatsarana ny asa fitaterana ny mpitatitr’olona sy entana. Miandry ny valin’ny soso-kevitra entin’ny fanjakana izy ireo. Anisan’ny vahaolana naroso ny fanovana ny bokin’andraikitra. Voakasik’izany ny fitaterana an-tanàn-dehibe sy amin’ny zotra nasionaly, izay efa enin-taona saingy tsy mbola tanteraka.
Nasain’ny mpitatitra resaka ny momba ny trano fiantohana Mama. Nambaran’izy ireo fa mpitatitra no nanangana azy. Manantena izy ireo araka izany ny hiverenan’ny fitantanana amin’ny mpitatitra rehefa hivoaka ny didy eny amin’ny fitsarana, tsy ho ela.
Vonjy




