Tontosa ny 29 avrily teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fifanaovan-tsonia tamin’ireo orinasa vaovao ho mpiara-miombon’antoka indray amin’ny Spat (Societé du port à gestion autonome de Toamasina). Eo amin’ny sehatry ny fiambenana sy ny filaminana ary ny fanadiovana sy fidiovana izany. Nambaran’ny tale jeneraly fa hisokatra ho an’ny rehetra ny tolotrasa. Napetraka ny kaomisionina manokana iantoka ny masontsivana, niarahana tamin’ny Birao miady amin’ny kolikoly. Nahitana vokatra tsara izany satria saika ireo orinasa salantsalany tena malagasy no nahazo ny tolotrasa. Hitondra asa vaovao ho an’ny tanora ao Toamasina izao satria hanampy ny ambaindain’ny olombelona ao aminy ireo nahazo izany. “Andiany voalohany iny no vita fa mbola betsaka ny tolotrasa hiantsoan’ny Spat mpiara-miombon’ antoka”, hoy Randriambahoaka Heritiana Anicet, tale jeneraly. Raha manoloana ny fanitarana ny seranan-tsambo kosa dia mitohy fa saingy hisy fanitsiana ny fe-potoana fahavitany noho ny rivodoza Gezani nandalo tany an-toerana. Raha eo amin’ny sehatry ny fiambenana sy filaminana, tazana amin’ny endrika vaovao indray ny orinasam-piambenana sivily hisahana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Handao ny toerany ry TSG fa hiditra kosa ny GPS.
Sajo




