Vondrona eoropeanina : Tetibola 5 000 miliara Ar ham­pan­drosoana an’i Madagasikara

Mitentina hatrany amin’ny 1 milliard d’euros ny tetibola natokan’ny Vondrona eoropeanina (UE) hanohanana ireo tetikasa efa mandeha sy mbola hotanterahina eto Madagasikara.

Fampiasam-bola hifantoka manokana amin’ny sehatra laharam-pahamehana toy ny Pacte Vert, ny tanora ary ny angovo azo havaozina. “Tanjona ny hanohana ny fampandrosoana ny firenena”, hoy ny masoivo­hon’­ny UE miasa eto Mada­gasikara, i Roland Kobia, omaly, nandritra ny fanokafana ny Herinandron’i Eoropa (Semaine de l’Europe) teny amin’ny Esplanade Ankatso. Kendrena manokana ny hisitrahan’ny Malagasy manerana ny Nosy ireo tetikasa sy hanova ny fiainany ho amin’ny tsaratsara kokoa, raha ny fanazavana hatrany. Hasongadina mandritra ny efatr’andro ha­naovana ny hetsika ireo tetikasa mipaka mivantana amin’ny fiainan’ny mponina izay manamarika ny faha-76 taonan’ny fanambarana Shuman, fototra nananganana ny Vondrona eoropeanina. “Mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara i Eoropa amin’ny alalan’ireo tetikasa maro samihafa ary manampy ny firenena hanatratra ireo fa­namby samihafa ho an’ny fampandrosoana” hoy ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika, i Arnaud Guillois. Notsindriny manokana ny sehatry ny angovo satria mbola latsaky ny 40% ny taham-pisitrahana herinaratra eto Madagasikara. Latsaky ny 15% kosa izany any ambanivohitra. Mbola lafo vidy ihany koa ny herinaratra, hoy izy, any amin’ireo faritra hafa. Ao anatin’izay, mahatratra 260 tapitrisa euros ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo, amin’ny alalan’ny tetikasa manodidina ny 15, toy ny tetikasa Volobe, ny fanarenana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasam-pamokarana herinaratra samihafa.
Tohana

Vaindohan-draharahan’ny UE ny tanora. Mahatratra 170 miliara Ar ny tetibola natokan’ny Vondrona eorepoeanina ho an’ny fampanofanana arak’asa ny tanora ka an’arivony ireo hisitraka izany. “Tanjona ny hampakatra ny fahaiza-mana­on’izy ireo mba hahafahany hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana”, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Ankilany, mpanjifa voalohany ny vokatra malagasy ny UE. 33% ny vokatra eto an-toerana no hamidy any an-toerana. Marihina fa tetikasa miisa 45 tohanan’ny “Équipe Europe” no hampiranty sy hizara ary hampahafantatra ny sehatr’asany eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ho an’ny fampandrosoana ny sosialy sy ny toekarem-pirenena.
Ankoatra izay, nisy ny dinika fifanakalozan-kevitra mom­ba ny fampiasana ny angovo azo havaozina niarahana tamin’ireo mpisehatra samihafa sy ireo tanora mpianatra.

Henintsoa

Partager sur: