Antenimierampirenena : Ho maro ny fanitsiana amin’ny tetibola-PLFR

Araka ny efa fantatra, mivory ara-potoana ny eny amin’ny Antenimierampirenena, amin’izao fotoana. Fotoana, voalohany, handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panovana (PLFR 2026). Hanitsiana sy handaniana ireo tolo-dalàna sy volavolan-dalàna ary hanoloran’ny governemanta ny tatitra mahakasika ny fanatanterahana ny fandaharanasany ihany koa. Hitondran’ny minisitera tsirairay avy fanazavana amin’ireo fanontaniana hapetraky ny solombavambahoaka. Tena mitarika ny famolavolana ny PLFR ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF).
Ho maro ny fanitsiana hatao sady tena manan-danja. Eo ny lalàna fanitsiana ny tetibola atokana amin’ny fandraisana mpiasam-panjakana vaovao, toy ny mpampianatra, ohatra. Tena hampiova ny fanomanana ny tetibola ihany koa ny hatokana hamahana ireo olana tena laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka malagasy. Andrasan’ny maro an’isa ny lafiny sosialy, toy ny tsy fahampian’ny herinaratra sy ny rano fisotro an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Eo koa ny tsy fisian’asa, satria tsy vahaolana maharitra ny fanampiana sosialy. Ilaina ny fanomezana vahana ny sehatra tsy miankina, hanamorana ny famoronana asa, ka ahena ny lafiny ara-ketra, ohatra.

Njaka A.

Partager sur: