Sakana tsy hahafahana mivelatra sy manitatra ny tsenam-panondranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsy fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana “Norme sanitaire et phytosanitaires” (SPS) eo amin’ny vokatra aondrana.
Voakasika izany ny vokatry ny fambolena (lavanila, jirofo, cacao) sy an-dranomasina eto Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa natao teny amin’ny Sekoly ambony momba ny siansa agronomia (ESSA), Ankatso. “Antoka goavana hahafahan’i Madagasikara mampiroborobo ny varotra sy manitatra ny tsenam-panondranana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanajana ny fenitry ny fanondranana”, hoy ny masoivohon’ny Vondrona eoropeanina (UE), Roland Kobia, omaly, nandritra ny atrikasa teny an-toerana.
Ilaina ny manaraka ny fenitry ny famokarana mba hanatsarana ny varotra sy hahafahana mamorona asa ary hampiroborobo ny toekarena. Vahaolana manokatra ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny masoivohon’ny UE, ny fanarahana ny fenitry ny SPS. Tombony ho antsika eto Madagasikara ny fananana ireo loharanon-karena stratejika samihafa izay manampy hitrandraka ny tsena ao Afrika, ranomasimbe Indianina sns. Tokony ho vitan’i Madagasikara ny manaraka ireo fenitra ara-pahasalamana amin’ny vokatra fanondrana. Hetsika hiaraha-mientana amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpandraharaha ho an’ny tombony ara-toekarena izany.
Ifotony
Miainga avy eny ifotony ny fanarahana ny fenitry ny famokarana. “Tokony hiainga avy amin’ny vokatra anatiny ny fikarakarana ary mipaka hatrany amin’ireo fanondrana izany”, hoy ny Pr Razafimahatratra Hery, talen’ny ESSA.
Ankilany, hisy ny iraka avy amin’ny Vondrona eoropeanina hanao fanadihadiana momba ny fanarahana ny fenitry ny famokarana. Hetsika iarahana amin’ireo mpisehatra, hanombanana ny zava-bita sy ireo mila hatsaraina, raha ny fanazavana hatrany.
Henintsoa




