Kianja Barea Mahamasina : Hovain’ny fanjakana ho « hybride » ny bozaka

Fantatra fa ovaina ho bozaka “hybride” ilay natoraly nitsiry ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina hatramin’izay. Haharitra enim-bolana ny asa.

Havaozina ny bozaka! Fantatra, afakomaly, fa hiroso amin’ny fanamboarana ny bozaky ny Kianja Barea Mahamasina ho lasa “hybride”, ny fanjakana. Fa­napahan-kevitra noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra notanterahina afakomaly. Ny minisiteran’ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola no handray an-tanana ny fandaniana mahakasika ny fanatsarana, araka ny tatitra voaray. Andrasana, araka izany, ny fanombohan’ny asa.
Raha ny filazan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, haharitra eo
amin’ny enim-bolana eo ny asa fanatsarana, hahafahana mahazo fankatoavana maharitra. Ampahatsiahivina fa ny volana avrily 2024 no nanomboka tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny Kaonfedera­sionina afrikanina momba ny Baolina kitra (Caf) intsony ny Kianja Barea.
Maro amin’ireo mpankafy baolina kitra no mangetaheta ny hiverenan’ny lalaon’ny Barea eo an-jaridainany mba hahafahan’izy ireo manohana ny ekipa nasionaliny eto an-tanindrazana.

Ahina tsy hilalao eo an-kianjany ny Barea …
Rehefa natao ny kajy, mety ho any ivelany indray no handray ny lalaony mandritra ny andro voalohany, fifanintsanana Can 2027, ny Barea. Ny amin’ny volana jona, hanaovana fitsapana, efa fantatra fa hotontosaina any Maroc, na Tunisie, na Torkia, izany. Tsara ny mampahatsiahy fa hisy firenena roa hanao fitsapana amin’ny Barea. Hatramin’izao, tsy mbola fantatra ny ekipa hifandonana amin’izany.

Fitia Randria

Partager sur: