Minisiteran’ny Jono: Mizarazara ny hevitry ny mpiasa

Sekretera jeneraly tokana voatendry, tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, Ravelo­manantsoa Be-Rija. Hisahana izany andraikitra izany eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Efa talem- paritra indroa miantaona, niandraikitra ity seha-pihariana ity izy. Niasa tany amin’ny faritra Analanjirofo, tamin’ny fotoam-pitondran’ny Filoha Rajaonari­mam­pianina Hery. Mialoha ny fanendrena azy ho laharana faharoa, hisahana ny raharaham-panjakana ao amin’ny mi­nisitera, mbola tale miandraikitra ny faritra Boeny izy.
« Sady dokotera no mpitarika politika ihany koa ny sekre­tera jeneraly vaovao, mahafeno ny fepetra ilaina ho amin’ny fanavaozana. », hoy ny ampahana mpiasa, nanaovana fa­nadihadiana teny Ampandria­nomby, omaly. «Ekena ary miray hina amin’ny sendika izahay amin’ny fahasaro­tam-piaro amin’ilay sehatra kanefa tsy ekena kosa ny fisian’ny tom­ponandraikitra ambony izay vao nesorina tamin’ny toerana mitady hirika ny hampikatsoana ny fampandehanan-draharaha. Anatin’ny fa­navaozana isika izao, tokony havela mi­asa aloha ny olom-boatendry vao hanaovana tombana. Ny an’ny sasany, vao tsy manomboka akory dia hoe ka­pao satria misy miara-miasa amin’ny Mafia vahiny», hoy hatrany ny loharanom-baovao, nangataka ny tsy ho tononina anarana, noho ny tahotra.
Mitokona

Vao maraina, efa nilatsaka tao amin’ny kaonty facebook ofisialin’ny minisitera ny tsy fankasitrahana an-dRavelo­ma­nantsoa Be-Rija. Nampian­tso mpanao gazety izy ireo avy eo. Nanome 48 ora ny fi­tondram-panjakana mba ha­nala ity farany. Tsy misy antony mazava, afa-tsy ny filazana ho tsy natolotry ny sendika izy ary mety nisy olona nangala-tsonia na­nolotra ny anarany tany.
Manoloana ny zava-mi­tran­ga, nilaza ny Sekretera je­neraly vaovao fa miandry ny fifamindran’ asa izy vao manao fanambarana, ho fanajana ny rafitra sy ny lamina. Marihina fa namoaka fa­nambarana, ma­nohana azy, ny sendikan’ny veterinera eto Ma­daga­si­kara sy ny tanora anatin’ny Tambaben’ny mpitolona.

Randria

Partager sur: