Niparitaka avokoa ny fonosana nisy ny taolam-balon’ireo razana efa nilevina tao anatin’ny fasana miisa telo tao Amparafara, kaominina Talata Volonondry, afakomaly. Tsikaritry ny mpandalo ny fisokafan’ny varavaram-bato tamin’ny fasana iray tao an-toerana ka nampandre avy hatrany ny fokonolona izy. Nijery ifotony ny zava-nisy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany voakasika sy ny tompom-pasana. Fasana miisa telo no efa nosokafan’ny tsy mataho-tody. Razana 80 lasibatra tamin’izany. Nokorontanin’ ny mpamaky fasana avokoa ny lamba nifosonan’ireo razana rehetra. Tsy fantatra mazava ny fotoana nanatontosan’ny mpanao ratsy io vaky fasana io, araka ny loharanom-baovao. Velon-taraina manoloana ny tranga vaky fasana tahak’ity niseho tao Talata Volonondry ity ny mponina. Matetika hitrangan’izany ao amin’ny distrikan’Avaradrano, saingy tsy mbola nisy fahatrarana olona nahavanon-doza, hatreto. Nanokatra fanadihadiana ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.




