VAOVAO TAMBATRA

Tazomina ho 12% ny tahan’ny zanabola fototra (taux directeur), araka ny tapaky ny komity politika ara-bola eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tanjona ny hampihena ho 5% ny vidim-piainana manoloana ny zava-misy maneran-tany. Efa nihena ny vidim-piainana teto amintsika tamin’ny fiandohan’ny taona 2026, saingy niakatra ho 6,1% ny volana janoary raha toa ka lasa 6,8% nandritra ny volana marsa teo. Niakatra nanaraka izay koa ny vidin’entana eto amintsika, indrindra ny sakafo.

Voaresaka nandritra ny dinika stratejikan’ny seha-piharian’ny lavanila ny taom-piotazana. Ni­songadina manokana ny fahazoan-dalana hanondram-bokatra sy ny fandrindrana ny tsena. Dingana tafiditra amin’ny fiarovana ireo mpisehatra sy hanatsara ny fitantanana ny seha-pihariana izany. Nifana­kalo hevitra nandritra ny dinika natao ireo minisitera toy ny MEF, ny MIASA, Min.Jus, Mesupres ary ny MSP.

Notokanana, omaly, ny “Centre de formation Huawei” eny Ankatso. Ivontoerana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora momba ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra, ka hahafahany mivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Niara-nisalahy ao anatin’izao ny fanjakana malagasy sy sinoa hanohanana ny tanora sy ny sehatry ny fampianarana ambony.

Partager sur: