Fitondran-tena mamoafady ataon’ny zandary: Handraisana fepetra hentitra

Misesisesy ny trangana fihetsika mamoafady ataon’­ ireo zandary, indrindra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, tato ho ato. Anisan’­ izany ny tranga fanolanana ankizivavy 17 taona iray, tany Marofinaritra Antalaha, ny volana avrily lasa teo. Voa­tazona nanaovana fanadihadiana noho ny fahaverezana basy izy ary niharan’ny fanararaotana ara-nofo nandritra izany. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny tomponandraikitra mahakasika izany. Teo koa ny tovolahy iray 18 taona, maty notifirina sy noratraina nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary azy, tany Ambanja, tamin’ity herinandro ity. Resaka fahaverezana basy ihany koa no nanaovana famotorana ity farany. Nanao fanambarana ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, manoloana izany, fa manameloka tanteraka ireny fandikan-dalàna sy fihetsika marolafy mifanohitra amin’ny fitsipi-pifehezana sy ny soatoavina malagasy izay ataon’ny zandary eto amin’ny Nosy ireny. Handray fepetra hentitra, mifanaraka amin’ny lalàna velona sy izay voalaza ao anatin’ny fitsipika mifehy ny asa eo anivon’ny Zanda­rimaria ihany koa, izy ireo. Tsy fialokalofan’ny olon-dratsy ary tsy miaro sy miray tendro amin’ireo very fanahy hatrany ny Zandarimaria, raha ny fanambarana hatrany. Marihina fa mifantoka tanteraka amin’ny fiarovana ny andrimpanjakana, ny vahoaka sy ny fananany ny asa sy ny iraka rehetra sahaniny ary tsy hivadi-belirano amin’izany velively. Hisy, araka izany, ny fametrahana paikady sy ny fomba rehetra hirosoana amin’ny fanavaozana sy ny fanadiovana anatiny ny Zandarimaria. « Tsy rariny intsony ny zavatra ataon’ny zandariam-pirenena any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, amin’izao fotoana», hoy ny solombavambahoaka voafidy any amin’ny disitrikan’­ Amba­nja, i Darkhaoui Siritis. Tom­pon’­antoka amin’ny fihoaram-pefy sy fanaovana fihetsika mamoafady izy ireo.

Mino

Partager sur: