Lomano-Afrikanina : Nanamontsana “record national” i Océane

Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpilomano miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja lomano, tanterahina any Oran Alzeria, omaly. Nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra na­sionaly, Rakotonanahary Océ­ane, teo amin’ny 100m Brasse ary tafapetraka teo amin’ny laharana fahatelo ka niambozona ny medaly alimo. “Re­cord” efa tamin’ny 35 taona lasa (1987) ity montsan’i Océane ity. Tao anatin’ny fe-potoana 1’15’’50 no nanaovany ny 100m Brasse, raha toa ka 1’15’’96 no nahavitan-dRatsifandrihamanana Vola izany. Malagasy mpilomano mbola anatin’ny heriny tanteraka i Océane ary efa hita taratra ny fivoarana sy ny fiakaran’ny lentany, na eo amin’ny sehatra nasionaly izany na ny iraisam-pirenena.
Mbola vokatra tsara ihany koa no azon-dRaharivel Jona­than. Nandrombaka medaly volafotsy ity Malagasy mpilomano miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, any Oran Alzeria, ity. Teo amin’ny 100 m Brasse no nahazoany izao laharana faharoa izao. Tsiahivina fa anisan’ny nisitraka ny vatsim-pianarana any Thailande i Jonathan ary efa nahazo medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023.

Mi.Raz

Partager sur: