Tsy mbola nisy angamba tao anatin’izay 60 taona izay fanendrena mpiasam-panjakana ambony ka hahemotra 10 andro any aorian’ny nivoahan’ny didim-panjakana. Raha ny zava-misy ao anivon’ny minisiteran’ny Jono dia mahalasa saina. Mitarazoka sa iniana ampitarazohana ny fifamindrana asa eo amin’ny sekretera jeneraly vaovao sy ny nesorina?
Taratry ny fahalemen’ny fanjakana ny fitavozavozana tahaka izany. Mampiseho fa mora ozongozonina ny fahefany. Mihenahena toa lelon-jaza eo ny mpanendry sy ny lehiben’ny mpanendry. Ny asam-panjakana anefa tokony hiroso. Izay tsy fitoviam-pijerin’ny minisitra sy ny Filohan’ny Fanavaozana ve no tsy ampandehanana ny raharaha.
Raha ny zava-misy, hita taratra tamin’ny ranty miseho isan-karazany fa toa mitsipaka ilay fanendrena nataon’ny Kly Randrianirina Michaël ny minisitry ny Jono. Tsy laharam-pahamehana ho azy ny fifamindran’andraikitra. Mbola ilaozany mitety tany any atsimon’ny Nosy. Tsy zava-dehibe aminy ny fananana sekretera jeneraly izany.
Ity farany anefa no tomponandraikitra amin’ny asam-panjakana. Mila mahasahy manome baiko hentitra ny Filohan’ny Fanavaozana hanatanterahana an’io raha sitrapony ny nametraka ilay olona. Mila manafoana ny fanendrena ihany koa izy rehefa hanaraka ny ramatahoran’ny sendika. Zary manome endrika ratsy ny fitondrana ny zava-misy ankehitriny.
Na inona anefa aloha fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Fanavaozana mahakasika ity raharaha ao amin’ny minisiteran’ ny Jono ity, tsy maintsy hisy kisary ratsy aminy foana ny zava-drehetra. Ny mpitokona manovokovoka sy mitady hirika mangingina. Ny mpanohana ny olom-boatendry manao be fiavy amin’ny resaka serasera.
Ny tena ho zava-doza, tsy hisy raharaha handeha amin’ny laoniny ao amin’ilay minisitera. Tsy maintsy hifanenjana amin’ izay ny tady eo amin’ny laharana voalohany sy ny faharoa. Ny asam-panjakana no ho lasibatra.
r.r




