Hisokatra mialoha ny 26 jona ho avy izao ny toby fiantsonan’ny taksiborosy eny Amoronakona. Tonga teny an-toerana ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andrianavalona Herizo, ny alarobia teo. Ny zotra mampiasa ny lalam-pirenena faha-2 sy ny RN7 no hapetraka eny. Miisa 110 ny tranoheva « box » ho an’ny kaoperativa. Nomarihin’ny minisitra fa « hisy ny fiantsoana ho an’izay orinasa liana hitantana ny toby. Aza lany andro manao kolikoly, satria ampiasaina ny teknolojia niomerika amin’ny fandaminana mba hisian’ny mangarahara. Tsy mikarakara ny fahazoana box, na toeram-pivarotana, na faritra manodidina aho. Tsy hisy ny fiangarana manokana ». Nisy ny fifampidinihana nataon’ny minisitra tamin’ny orinasa Axian sy ny Jovena. « Tsy maintsy azo ny lakile, ary mila misokatra alohan’ny 26 jona ny gara », hoy ihany izy.
Marobe ny mpandeha no nankasitraka ny hisokafan’ity toby efa vita tamin’ny taona 2016 ity. Efa eo am-pandinihana ny fitaterana amin’ny taxi-be na zotra manokana mampitohy ny garan’Amoronakona amin’ny toeran-kafa, toy ny Ankorondrano, Ivato, sns.
Etsy ankilany, misy ampahany amin’ireo kaoperativa eny amin’ny Fasan’ny Karana, tsy manaiky ny hamindrana azy ireo eny Amoronankona. Ratsy sady tsy araka ny tokony ho izy anefa ny fotodrafitrasa eny. Manara-penitra sy maoderina, milamina kosa ny eny Amoronakona.
Njaka A.




