Namono tena, omaly, tany Belo-sur-Tsiribihina, ny vehivavy iray, antsoina hoe : Panda, mpandihin’ny tarika Jean Aimé. Vadin’ny mpandihin’ny tarika izay nindaosin’ny fahafatesana noho ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, teny Antanifotsy, ny 4 mey 2026 lasa teo. Nametraka hafatra sy namoaka ranty tamin’ny tambajotran-tserasera izy talohan’io famonoan-tena nataony io. Voasoratra tamin’izany ny hoe: «ny maty tsy afaka miverina fa afaka arahina». Tsy nahazaka ny fahafatesan’ny vadiny izay tampoka loatra izy ka nitarika azy tamin’izao famoizam-po lalina izao. «Avy any Fianarantsoa izy, fa andeha handevina any Belo sur Tsiribihina, kanjo izao namono tena izao», hoy ireo olona akaiky azy. Marihina fa bevohoka ity vehivavy namono tena ity.
Tsiahivina fa matin’ny lozam-pifamoivoizana ny 4 Mey lasa teo, teny amin’ny lalam-pirenena faha-7, akaikin’Antanifotsy, ny tarika misy azy ireo. Rehefa avy nanao fampisehoana tany ambanivohitr’ Ambohimahazo, distrikan’i Manandriana. Tratran’ny torimaso fotsy ny mpamily ny fiara ka niala lalana ny fiara. Naratra avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatin’ny fiara, anisan’izany i Jean Aimé, lehiben’ny vondrona. Tovolahy iray, mpandihin’ny tarika no maty, rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Mbola samy eo am-bondrona avokoa ny razan’izy roa kely.
Mino




