Fankalazana JME : Fiaraha-miasa AJE sy ny Mesupres

Hiavaka! Mikarakara ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana ny minisiteran’ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana siantifaka (Mesupres). Nambaran’ny Talen’ny fanantanjahantena sy ny kolotsaina ao aminy, ny Dr Souleman, fa andiany voalohany ity hotontosaina ity, ary iarahana amin’ny mpiara-miom­bon’antoka maro samihafa, toy ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), tarihin’i Njaka Andriantefiarinesy. Eo koa ny minisiteran’ny Tontolo iainana (MEDD) sy ny ao amin’ny Fanantanjahantena, amin’ny alalan’ny Federasionin’ny basikety.
Maro ny hetsika hatao ny 5 sy 6 jona 2026 ho avy izao. Eo ny famelabelarana arahina adihevitra, mahakasika ny fifandraisan’ny fikarohana siantifika, ny maha olombelona, ny tontolo iainana. Misy ny fifaninanana ara-panatanjahantena basket 3×3. Eo koa ny fifaninana fanorona. Handray anjara
amin’io fotoana io ny oniveristem-panjakana sy ny tsy miankina rehetra.

Njaka A.

Partager sur: