Mandeha tsikelikely ny firosoana any amin’ny tetezamita ka ahafahana manatanteraka ny fifidianana. Efa nivoaka ireny ny datim-pifidianana vonjimaika. Hanao fitsapan-kevi-bahoaka sy hifidy izay ho filoham-pirenena ny Malagasy amin’ny taona ho avy. Efa mipetrapetraka ny fanomanana, hoy ny vaomiera mahaleo tena misahana izany. Miandry ny ankolafin-kery hafa sisa satria mbola miandry ny lalàm-pifidianana sy ny Lalàmpanorenana vaovao.
Etsy ankilan’izay, anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifidianana ny politisianina sy ny antokony tsirairay avy. Efa samy naka ny fiaingana mialoha ny fotoana avokoa. Milaza ho mamerina sy mikarakara ny fototra. Samy manovokovoka amin’ny serasera, manasongadina fa mbola mijoro sy sahy. Toa efa mampiely hevitra daholo izy mianakavy. Samy milaza fa mafy sy tompon’ny lakile amin’izao fotoana izao.
Samy milomay ny rehetra na dia anatin’ny fanarontsaronana ny ataony aza. Tsy misy manaiky ho gisitra eo. Hatreto, tsy mbola misy milaza fa tsy mahazo milatsaka hofidina ny mpitondra. Tsy mahagaga, na samy manovokovoka na ny any anaty fitondrana aza. Tena manao tanamaro ny tandapa sy ny akaiky azy mametraka kisary miabo sy talaky maso. Ny andrasana fotsiny dia ny hoe: hanana kandidà tokana sa samy haka ho azy.
Raha ny tsiliantsofina mandeha sy ny resaka eny an-dalantsara dia efa misy minisitra roa samihafa, ankoatra ny kolonely no mety ho kandidà. Samy manomanomana sy efa anatin’ny kajikajy avokoa. Efa hitahita taratra amin’ilay samy te ho lohany anatin’izao fotoam-piasana izao rahateo ny zava-misy. Ilay tsy fahampian’ny serasera, ny fifanilihana sy fijabahana andraikitra dia manamarina izany.
Raha fehezina, samy tsy manaiky lembenana fa mitsinjo lavitra avokoa izy rehetra!
r.r




