VAOVAO TAMBATRA

Niakatra nanomboka ny alatsinainy teo ny vidin’ny entona fandrehitra «Vitogaz». Lasa 33 000 Ar ny tavoahangina 4 kilao raha toa ka 31 000 Ar izany. Vidina 74 000 Ar koa amin’izao ireo entona amin’ny tavoahangy 9 kilao izay 69 000 Ar teo aloha. Ankehitriny, lasa 105 000 Ar raha mbola 98 000 Ar ny tavoahangina 12 kilao. Tampoka ho an’ny mpanjifa ny fiakarana, ao koa ireo nilaza fa ahina ny mbola hiakaran’ny vidiny manoloana ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Foana ny haban-tseranana amin’ny fanondranana avy aty Afrika mankany Chine, voakasik’izany i Madagasikara. Hanamafy orina ny fifandraisana ara-barotra stratejika eo amin’ny firenena roa tonta ny fanapahan-kevitra. Mihoatra ny 200 tapitrisa dolara ny vokatra malagasy mankany an-toerana. Maniry ny hanamafy ny fiaraha-miasa ara-teknika amin’ireo manampahefana sinoa i Madagasikara mba hanohanana ireo mpandraharaha. Hanamafy ihany ny fahaiza-manaony mba hisitrahan’ny tombontsoa ny tsena sinoa.

Fitaovana stratejika hifaninanana eo amin’ny sehatry ny fizahantany ny fampiasana ny internet. Manampy ny tsirairay hijery sahady ny mombamomba ny Nosy na ny firenena iray ny fampiasana ny niomerika mba hisarihana ireo mpizahatany hitsidika toerana iray. Mamandrika ny diany amin’ny internet ihany koa ny ankamaroan’ny mpizahatany.

Partager sur: