Nirefodrefotra ny basy teny Anosibe, boriborintany fahefatra, ny afakomaly alina. Maty tsy tra-drano ny olon-dratsy roa lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana. Saika hanendaka polisy izy ireo.
Lavo nandritra ny hetsika manokana nataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa teny Anosibe, afakomaly alina. Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’io faritra io sy ny manodidina, nanao fisafoana tanaty elakelan-trano ny mpitandro filaminana. Nahatazana andian-dehilahy naneho fihetsika mampiahiahy ny polisy. Nandritra io fotoana io, nokasain’ny olon-dratsy horobaina ny iray tamin’ireo polisy izay nanao fanamiana sivily satria narahin’izy ireo tao anatin’ny elakelan-trano. Tsy vitan’io, namoaka fitaovam-piadiana toy ny basy sy antsy ireo olon-dratsy. Namaly ilay polisy sady niaro tena ka voatifitra nandritra io fifandonana io ireo jiolahy roa. Very ra be loatra, voa mafy ireo jiolahy roa ka tsy tana ny ainy.
Nandositra
Nahare ny feom-basy, nanararaotra nanao tari-dositra tany anatin’ny haizina ny olon-dratsy hafa naman’izy roa lahy voatifitra. Latsaka teny amin’
ireto farany ny basy poleta iray nisy bala telo sy ny antsy. Mitohy ny hetsika ataon’ny polisim-pirenena manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana eny amin’ny faritra Anosibe sy ny manodidina. Marihina fa toerana malaza ratsy amin’ny fisiana fanafihan-jiolahy eny Anosibe, Namontana, hatrany Anosizato. Nanamafy ny ekipan’ny polisim-pirenena fa mitohy ny ezaka hisamborana ireo jiolahy sy hampitsaharana ny asa ratsiny. Mandrisika hatrany ny olom-pirenena hitoroka ireo olon-dratsy eny anivon’ny fiarahamonina misy azy ny polisy. Ho tazomin’izy ireo ho tsiambarantelo hatrany kosa ny fiaraha-miasa momba izany.
Tsiferana R.




