Mifanolo-tanana amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ny Federasionina malagasin’ny basikety, amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana. Hisy ny fifaninanana basikety 3×3 na “Environment Contest 3×3”, natokana ho an’ny Oniversite, hatao ny 5 sy 6 jona izao, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Raha ny fandaharam-potoana, ny fifanintsanana no hatao ny 5 jona, ny famaranana kosa ny 6 jona. Nambaran’ny Talen’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ao amin’ny Mesupres, Dr Souleman, fa tanjona ny hankalazana ity andro ity amin’ny kolontsaina sy fanatanjahantena ary ny hanakaiky vahoaka araka ny lohahevitra “Fikarohana manakaiky vahoaka”. Eo koa ny fanomanana ny fifaninanana nasionaly hatao any Toamasina, ny volana aogositra izao. Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalàna amin’ity fifaninanana ity, araka ny nohamafisin’ny solontenan’ny FMBB, Rasaony Pascal. Fitaovana avy amin’ny federasionin’ny basikety avokoa no hampiasaina amin’io. Ankoatra ny fifaninanana basikety 3×3, hisy ihany koa ny dihy, slam, fanorona ary hira gasy goavana. Miara-misalahy amin’ny hetsika rehetra ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana.
Mi.Raz




