Dieny izao…

Hatramin’izao, tsy mazava be ihany amin’ny ankamaroan’ny olom-pirenena ity hoe fikaonandoham-pirenena. Miainga any ifotony, eny anivon’ny fokontany? Izay vao miakatra eny amin’ny kaominina, distrika, Faritra… Amin’ny fomba ahoana na iza no hikarakara, iza no handray anjara… ? Zavon-tany ny fanontaniana. Mila valiny, fanazavana.. Ndrao izay hatao hamahana olana indray no sanatria miteraka tsy fifankahazoana, disadisa, fifandirana… Dieny izao, mila mazava sy maoritra ny resaka sy izay hatao. Ny amisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa. Tsy ilaozan’izay manakorontana fa tsy maty voalavo an-kibo, mamendrofendro, manakivy…
Nefa ny fikaonandoham-pirenena no hoe fototra hiangana amin’ny fanorenana Repoblika vaovao. Tsy moramora nefa tsy maintsy hatrehina, tsy azo atao ambanin-javatra na ambinan-javatra… Ahoana, ohatra, ity hoe mandray anjara avokoa ny Malagasy rehetra, fa tsy misy azo ailika? Toy izany koa ny hoe raisina avokoa ny hevitra rehetra fa tsy misy azo avela. Hatraiza no hahazoana manatanteraka izany tsy misy tomika? Tsy mora ny manao zavatra, fa ny manao mora koa tsy zavatra. Hatraiza no hahatakarana sy hahatsapana ary hiainan’ny olom-pirenena fa tomponandraikitra amin’izany izy? Eo indrindra izao… Dieny izao, mila hazavaina sy mazava tanteraka ny raharaha? Ndrao tsy ifankahazoana, manahirana, tsy ifampitokisana…
Mahalala izay (h)atao ve ny olom-pirenena tsirairay avy amin’izao? Na izay miandry azy na andrasana aminy. Iza no manao inona, aiza sy mankaiza ary rahoviana… ? Dieny izao, mila hazavaina sy mazava tanteraka. Mby aiza? Mora ny miresaka sy mampanantena, fa sarotra ny manatanteraka? Aleo hazava mba hampilamina sy tsy hifandirana, handrosoana fa tsy hiverenan-dalana…

R. Nd.

Partager sur: