Fanadihadiana « nPerf »: Voalohany eto Madagasikara ny tambajotra Yas

Voamarina indray fa voalohany amin’ny famatsiana tambajotra internet eto amintsika ny orinasa Yas, miohatra amin’ireo mpifaninana aminy. Tsy araka ny nieritreretana azy ny Starlink, hatreto.

Nivoaka ny fanadihadiana nataon’ny nPerf, matihanina amin’ny lafiny tambajotra (mobile sy fixe) amin’ny fifandraisan-davitra. Mitotaly 71 999 ny isa azon’ny orinasa Yas, raha 51 931 ny an’ny Oran­ge ary 26 506 ny an’ny Airtel. La­finy kalitaon’ny tanjaky ny tambajotra amin’ny finday no nampitahaina nahatonga ireo isa ireo. Izany hoe, manodidina ny 20 000 ny salanisan’ny elanelana amin’ireo mpandraharaha telo ireo.
Ho an’ny lafiny internet, mpandraharaha telo no nohadihadiana, nijerena ny fananana sy ny fampiasana ny teknolojia niomerika, toy ny « fibre optique » na satelita. Mbola ny Yas ihany koa no voalohany, nahazo isa 63 171. Faharoa ny Starlink, izay mampiasa zanabolana na satelita, nahazo 44 091 isa. Fahatelo, ny Blueline, nahazo isa 28 137,5. Manodidina ny 20 000 ihany koa ny elanelan’ireo mpandraharaha internet telo ireo.
Araka ireo, tsy ny fanatsarana ny tambajotra ihany no no­tombanan’ity fanadihadiana ity fa teo ny kalitaon’ny fametrahana sy ny fampiasana ny fo­to­dra­fitrasa mahakasika ny fifandraisan-davitra. Nojerena koa ny fahamarinan-toeran’ny tambajotra hatrany amin’ny toerana lavitra, ny fampiasam-bola nampiasaina, ny hafainganam-pandehan’ny tambajotra, sns.

Tolotra tsara ho an’ny mpanjifa
Manadihady mivantana amin’ny mpanjifa ny nPref. Tombanana ny fitaovam-pifandraisan-davitra ampiasaina, ny kalitao sy ny tanjaky ny tambajotra, jerena ny halaviran-toerana. Manome antoka ny valin’ny fanadihadiana ireo. Nambaran’ny talen’ny Yas, i Benoit Janin, fa « hotohizana hatrany ny fanomezana tolotra tsara ny mpanjifa, noho izao nahazoana ny laharana voalohany izao. Tanjona ny hanomezana tambajotra internet sahaza sy zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra ».

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: