Halatra kodiarana tetsy Ambatoroka : Notanana am-ponja ilay mpamily

Nohainoin’ny mpitsara mpanao famotorana teo anivon’ny fitsarana Anosy, notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray tratra nangalatra kodiarana fiara, tetsy Ambato­roka, ny 8 mey teo. Mpamily fiara iray nangalatra kodiarana fiara hafa saron’ny mpiambina iray teny Ambarotoroka, Bori­bo­rintany faharoa, ny alin’ny alakamisy 7 mey teo. Nanatitra mpiasa avy nanao asa alina tamin’ny fiara fitaterana io mpamily io. Nanararaotra anefa izy rehefa nahatazana fiara tamin’ ny fiantsonana. Namoaka fitaovana ka nanala ny kodiaran’ny fiaran’olona mipetraka tamin’ny toby fiantsonana eny Ambato­roka. Tsikaritry ny mpiambina tamin’io toerana io izy. Nanohi­tra anefa io mpamily io ary nikasi-tanana ilay mpiambina. Na­ratra vokatr’io daroka nahazo azy io ity farany. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ilay mpi­ambina niharan’ny vono. Naha­re izany ireo mponina ka nivoaka sady nisambotra ilay mpamily sady mpangalatra. Voa­sambotra io olon-dratsy io ary noraisim-potsiny teo aminy ny kodiarana nokasainy hangalarina.

Tsiferana R.

Partager sur: