Menabe: Tafapetraka ny Faritra arovana vaovao Makay

Natolotry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrososana maharitra (MEDD) tamin’ny fomba ofisialy ny Madagascar National Park (MNP), tany Malaimbandy, Mena­be, ny 8 mey teo, ny fitantanana ny Faritra Arovana Makay. Tsiahivina fa ny volana febroary 2026 teo no nivoaka ny didim-pitondrana mamaritra an’i Makay ho anisan’ireo faritra arovana vaovao eto amintsika. Nambaran’ny minisitra MEDD, Andriatsihala Nolave Luck Aristide, fa « hanakoako maneran-tany ny tanànan’i Malaimbandy, manomboka izao, noho ny fametrahana an’i Makay ho faritra arovana. Ho maro ny tombony ho sitrahin’ny mponina ao anatin’izany ».
Mitahiry harena voajanahary sy kolontsaina tsy manam-paharoa i Makay. Avy ao no ipoiran’ny loharano mamatsy ny renirano maro any amin’ny faritra Menabe. Manamafy ny MNP fa hahazo tombontsoa mivantana ny mponina ao Ma­laimbandy sy ny farirta roa voakasika (Menabe sy Atsimo Andrefana). Natao sonia ny fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny MNP, ny Fikambanan’ny Zanaky Makay (Fizama) ary ny Nature Evolution, maneho ny firavonan’ny disadisa nisy teo aloha.

Njaka A.

Partager sur: