Niakatra fampanoavana ary notanana vonjimaika any am-ponja ireo dimy lahy nahatraran’ny polisy fonosana rongony am-polony tao Vatofotsy Antsirabe, ny 7 mey teo. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao amin’ny kaominina Antsirabe, nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana hisamborana ireo mpanaparitaka izany. Nandritra ny hetsika Mahomby, naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mpivarotra sady mpidoroka ao Vatofotsy. Nanao ny paikady rehetra sy ny vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka sarona ny olona miisa dimy. Mpivarotra sy nisy mpividy ireo olona tra-tehaka. Natao ny fisavana ka nahitana rongony efa voatsinjara tamina fonosana maromaro tao amin’io mpamongady rongony io. Nogiazana avokoa ny entana rehetra. Nentina natao famotorana ireo voasambotra. Natolotra ny fampanoavana ka izao niafara amin’ny fihazonana vonjimaika am-ponja izao ny raharaha. Marihina fa anisan’ny mitarika ny tanora hanaotao foana ny fidorohana zava-mahadomelina.
Tsiferana R.




