Fahasalamana: Mitaky ny sata ho an’ny dokotera ny MCR

Manao antso ny dokotera tonga saina ho amin’ny fanavaozana (MCR) fa tokony hiray feo sy hiray hina izy ireo amin’ny fanarenana ny tontolon’ny asa fitsaboana sy ny maha dokotera mpitsabo. Mitaky “statut particulier” na sata manokana izy ireo fa sady fianarana mafy no asa mafy iankinan’ny aina no asan’izy ireo. Takiny ny fanomezan-danja ny fianarana lava natao mba hitovy zo ny dokotera rehetra na miankina amin’ny fanjakana na tsia, miasa tena.
Lasa tsinontsinoavin’ny olona ny asan’ny dokotera satria tsy mipetraka tsara ny rafitra ary ny fanjakana mihitsy no toa manao ny asan’izy ireo ho ankilabao, ka mahatonga azy ireo hijoro amin’ny fanavaozana tanteraka.
Misy nefa ireo karazana asa amin’ny sehatra hafa izay ahitana fiarovana ara-tsosialy mazava toy ny fiantohana ny fianaran-janaka, fahazoana trano sy fiara enti-manatanteraka ny andraikitra. Eo koa ny fiantohana fitsaboina 100% rehefa marary. Omena fanonerana sy fankasitrahana koa amin’ny asa…
“Fotoana izao hijoroana amim-pahamendrehana sy firaisankina, hanehoana am-pilaminana ny zava-misy iainantsika”, ny MCR. Mila fantatry ny rehetra ny manavesatra sy ny maharary, satria tsy misy fanovana raha tsy re ny feo, raha ny fanampim-panazavana. Ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison aza dia nanamafy fa fotoana izao hanitsiana ireo karazan-dalàna mila fanavaozana.
Hampivondrona ireo dokotera ho tonga saina sy ho sahy mijoro hitondra fanovana, araka izany, ny MCR.

Tatiana A

Partager sur: