Mpiadina BEPC 2026: 9 939 ho an’ny Cisco Avaradrano, 13 600 ho an’Atsimondrano

Miatrika fanadinana ny ankamaroan’ny sekoly eto an-dRenivohitra amin’ity herinandro ity. Ao anatin’ny fanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena kosa ireo mpiadina BEPC.

Efa mizotra ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana BEPC 2026. Ho an’ny Cisco Avara­drano, nifarana omaly izany, teny amin’ny Kianja Anka­dinan­driana. Nanana foibem-panadinana telo ny Cisco dia Ankadinandriana, Isahafa ary ny kianja Ankamasoa. Nizotra tsy nisy olana goavana ny fiatrehana izany ary saika nisafidy ny hanao fanatanjahantena avokoa ny ankamaroan’ny mpiadina amin’ny BEPC. Ma­ha­tratra 9 939 ny isan’ny mpi­adina, 52 taona ny zokiny indrindra, raha 11 taona ny zandriny indrindra. 27 ny foibem-panadinana. Nitombo ny isan’ny mpiadina ho an’ity taom-pianarana ity, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cis­co.
Ho an’ny Cisco Atsimon­drano kosa, 13 600 ny isan’ny mpiadina ho an’ny BEPC. 95% tamin’ireo niatrika ny adina ara-panatanjahantena avokoa. Teny amin’ny foibem-panadinana telo, dia Ampita­tafika, Ambohijanaka ary Andra­nonahoatra, no nanatanterahana izany ka nanomboka omaly hatramin’ny 15 mey ho avy izao ny an’ny foibe Andranonahoatra. Tontosa ny herinandro lasa teo kosa ny foibem-panadinana roa. Ma­no­didina ny 4 000 ny mpiadina eny Andranonahoatra, raha 6 500 ho an’Ambohijanaka ary 3400 ho an’Ampitatafika. 24 ny foibem-panadinana ho an’ny BEPC eny Atsimon­drano.
Momba ny CEPE, 15 220 ny mpiadina ho an’ny Cisco Atsimondrano, 24 ny foibem-panadinana. Anio no hiatrika ny CEPE andrana voalohany, karakarain’ny Zap, ny sekoly rehetra ary anjaran’ny Cisco kosa ny andrana faharoa, ny 2 jona ho avy izao. Afaka manatanteraka ny andrana koa ny sekoly tsy miankina.
Ho an’ny Cisco Avara­drano, 12 178 ny mpiadina amin’ny CEPE. 7 taona ny zandriny indrindra, raha 22 taona ny zokiny. “29 ny isan’ny foibem-panadinana. Efa tontosa ny 5 mey lasa teo ny CEPE andrana voalohany karaka­rain’ny Zap Avaradrano”, hoy ny lehiben’ny Cisco, omaly.

Vonjy

Partager sur: