Mpianatry ny Lycée nanala zaza: Zazarano nariana tao an-tranon-kisoa

Voasambotra omaly, tao Antalata Centre, ny mpianatry ny Lyçée iray, avy nanala zaza. Nariany tao anaty tranon-kisoa ny zazarano efa dimy volana an-kibo.

Zava-doza! mpianatra amin’ny Lyçée, kilasy famaranana, no nosamborin’ny polisy, omaly. Avy nanala zaza izy. Tao amin’ny tanànan’Antalata Centre, kaominina Ambohimahasoa, no nitrangan’izany. « Nesorin’ny reniny io zaza io kanefa ny kibony efa mananika ny efatra na dimy volana », araka ny loharanom-baovao avy amin’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. « Ne­nt­iny mangingina ilay fatin-janany efa miaraka amin’ny ahitra. Natsipy tao amin’ny trano fiompiana kisoa. Hi­tan’ny mpiray tanàna ny nofo mangatsiakan’ilay zaza me­na­vava. Nanomboka teo ny fikarohana izay nahavanon-doza », hoy hatrany ny polisy.
Fotoana fohy taorian’izay, voasambotra ilay tovovavy, renin’ny zaza. «  Tsy notazomina natao famotorana avy hatrany izy. Mbola entina namonjy hopitaly, hiatrika fizaham-pahasalamana », hoy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

Mpianatra

Tsy trangam-piarahamonina maningana ity niseho tany Ambohimahasoa ity. Maro­maro ny tranga mahakasika fanalan-jaza, araka ny fanampim-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana. Saika mpianatra na zatovo vao erotrerony avokoa no mijabaka amin’ny fomba mamoehitra sy zava-doza mahafaty toy izao.
Mahakasika manokana an’ity mpianatra tao Ambo­himahasoa ity, efa mandeha ny fanaraha-maso akaiky ny fahasalamany. Mandeha iha­ny koa ny famotorana lalina, ha­mantarana ny mpiray tsikombakomba taminy.
Tsiahivina fa melohin’ny lalàna, ahazoana sazy toy ny figadrana an-tranomaizina mi­ampy lamandy, ny fanalan-jaza eto Madagasikara. Iha­ran’­izany koa ny mpiray tsikombakomba. Tsy fahavononana, tsy fitandremana ary fialana andraikitra matetika no manosika ireo renim-pianakaviana hanary ny zanany.

Tsiferana R 

Partager sur: