Nandaniana 7 miliara Ar ny fanavaozana ny fitaovana sy ny kojakoja ao amin’ny LMOI, sampana mitantana ny fantsona lehibe hamindrana ny varimbazaha avy any anaty sambo. Nohavaozina ny fifanarahana amin’ny fitantanana azy mba tsy ho vesatra ho an’ny Spat.
Nisy feo niely teny amin’ ny tambajotran-tserasera fa hamidy amin’ny karana ny LMOI (Last Minute of Instruction), rafitra iray ao amin’ny seranan-tsambo misahana ny famoahana ny varimbazaha, miala avy ao anaty sambo mandalo amin’ ny fantsona lehibe, mialoha ny hitahirizana azy any amin’ny trano malalaka Silo. Nitondra fanazavana ny tale jeneraly (DG) ny orinasa mitantanana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), Randriambahoaka Heritiana Anicet, ny alakamisy 7 mey teo. Efa antitra ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa ao amin’ny LMOI. Orinasam-panjakana mampidi-bola ny Spat. Noho izany indrindra, nandaniana vola 7 miliara Ar ny fikojakojana ny fitaovana, raha 5 miliara Ar no niditra. Miisa 34 ny mpiasa ao amin’ny LMOI, miasa isan’andro sy alina, rehefa misy varimbazaha tonga. Satria, tsy azo atao ny mampiato ny milina mampidina ny varimbazaha, fa azon’ny tompon’ny sambo saziana raha misy ny fahatarana. « Tsy amidy izany ny LMOI, fa noho ireo antony ireo no nikarohana vahaolana hanavaozana ny fifanarahana amin’ny fitantanana ny LMOI, mba hampidi-bola fa tsy ho lasa vesatra ho an’ny Spat », hoy ihany izy.
Fiaraha-miasa amin’ny kaominina
Ankoatra izay, matotra ny fiaraha-miasan’ny Spat sy ny kaominina Toamasina I. Nomen’ny Spat jiro Cobra miisa 50 ny kaominina hapetaka eny amin’ny « Recettes des douanes » hatreny amin’ny Toamasina 501, nanoloana an’ireo jiro simban’ny rivodoza Gezani farany teo. Nilaza ny tale jeneraly, Randriambahoaka Heritiana Anicet, fa mitady izay mahasoa ny vahoaka ny orinasa. Nanamafy ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain, fa tsy mora ny fanarenana an’i Toamasina, saingy entina amin’ny fisainana miabo ny zava-drehetra.
Sajo sy Nj.A.




