Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, taorian’ny fampanoavana, ny lehilahy iray nahatraran’ny zandary rongony iray sakaosy teny Andoharanofotsy. Nitaingina fiara fitateram-bahoaka io lehilahy io, ny sabotsy 9 mey teo. Tsy nahatsiaro tena tampoka anefa izy ka nentin’ireo tsara sitrapo namonjy toeram-pitsaboana. Nanao ny asany ny mpitsabo ka fantatra fa tsy nahatsiaro tena vokatry ny fisotroana zava-mahamamo tafahoatra io lehilahy io. Nosavaina ny entana teny aminy, kanjo rongony avokoa ny tao anaty sakaosy. Efa voatsinjara ka nataon’ilay lehilahy tao anatin’ny fonosana miisa 142 ireo rongony. Nahatsiaro tena izy taorian’ny fitsaboana azy. Nentin’ny mpitandro filaminana namonjy ny birao natao famotorana. Nokasain’ity lehilahy ity hamidy ireo entana tra-tehaka teny aminy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka notanana vonjimaika ity farany. Nogiazana ny zava-mahadomelina.
Tsiferana R.




