Manao fitan-droa

Tao anatin’ny volana vitsivitsy, mihamena avokoa ny famantarana eto amin’ny firenena. Miverina ny rano tsy ampy. Manomboka ny delestazy izay nilokalokana ny fahataperany. Ny vidim-piainana moa dia miaka-midina toa lelon-jaza eny. Ny tsy fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka miara-mivarina any amin’ny fiibana faobe. Angaha hita izay fiovana!
Amin’izao fotoana izao, mampikaikaika ny sarambabem-bahoaka ny fahazoan’ny kolikoly vahana eny amin’ny sehatra rehetra. Ny asam-panjakana, tsy misy fihatsarana. Fadiana ny manoka-bava mitondra fanamarihana raha te hahavita izay ilaina haingana. Arakaraka ny hilazana ny marina sy hitarainana no mampihitsoka izay atao. Asa, ny avo marina ve no alain-tahaka?
Hatreto, mbola miandry izay ho fivoarana ilay firenena sy ny vahoakany. Tsy mbola hita ny asa tena asa. Ny finiavana sy ny fikasana no bobaka be. Raha ny tetiandro ny fivoahana amin’ny krizy mbola ho lavidavitra ihany. Ny isam-batan’olona aloha no ilaina miezaka fa raha ny mpanao politika sy ireo milaza ho tanora hoavin’ny firenena mbola variana.
Ny hany mahavelombolo angamba sisa dia ny kisary mihamena amin’ny tontolon’ny diplaomasia. Ny mena valala, ny tiana malala, ka mirona mankany mankany ilay tontolo. Mifofotra amin’ny fanokafam-baravarana any atsinanana i Madagasikara. Tsy miamboho ny tandrefana sy ny kapitalista, na izany aza. Manao fitan-droa eo, sitrany ahay!
Ny fifandraisana sy ny ravindravina an-tentina no an’ny daholobe. Manodoka ny politikan’ny fitsinjovana ny madinika sy ny marefo. Ao ambadik’ireny anefa, misy olom-bitsy migoaka sy miketrika ny ho azy manokana. Vondron’olom-bitsy no hany misitraka ny soa. Tsy ny rehetra no afaka mitroka ny mamy anatin’ilay tranon-tantely, antsoina hoe Madagasikara.

r.r

Partager sur: