Tsipy kanetibe Analamanga: Tompondaka ny ekipan’ny Pac sy ny UBMT

Tontosa ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny Kianja Beton­golo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Anala­man­ga, ta­ranja tsipy kanetibe. Voahoso­tra ho tompondaka, teo amin’ny sokajy lehilahy, ny Pac, nahitana an’i Hery Mo­rondava sy i Balôty ary i Eliot. Resin’izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 6, teo amin’ny famaranana, ny eki­pan’ny Fam, nisy an’i Tafita sy i Rado ary i Jean. Tsiahivina fa samy andrarezina no nidona teto, izay efa samy niaro ny vo­ninahi-pirenena, toa an’i Tafita sy i Balô­ty. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, norombahin’ny klioba UBMT, nisy an’i Marinah sy i Fenitra ary i Tatie ny am­boara. Ho an’ny “vétéran”, tompondaka ny ABC, notarihin’i Palin sy i Andry ary i Mamy. Teo amin’ny “junior” indray, tompondaka ny CB3A. Ni­tom­bo ny mpandray anjara tamin’ity satria niisa 132 ny ekipa lahy raha 20 ny vétéran, 13 ny vehivavy ary 10 ny zandriny.
Ankoatra izay, vita ny zoma 8 mey teo, teny Ambo­din’Isotry, ny fifidianana izay ho filoha hi­tantana ny klioba CAI. Voafidy tamin’izany, hi­asa mandritra ny efa-taona Rasoloniaina Haja Navalona Alain Joel. Tsy nisy mpifaninanana fa izy irery no kandidà ka 29 tamin’ireo 30 no nandatsa-bato ho azy. Tsiahi­vina fa na­trehin’ny solontenan’ny minsiteran’ny Fanatan­ja­han­tena ny fifidianana. “Ham­pan­droso ny klioba, hanao fi­tantanana mazava ary handrombaka ny fifaninanana re­hetra no tanjona”, hoy izy.

Tompondaka

Partager sur: