Nahazo vehivavy mpilaravinahitra ny kitra malagasy. Araka ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny klioba Disciples FC, nahavita sonia fifanarahana amin’ny klioban’ny Northwest Mississipi Community College – NWCC Rangers atsy Etazonia, i Iriko Tsiafoy, vehivavy malagasy mpilalao baolina kitra. Hifaninana ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Oniversite any Etazonia, “NJCAA Division II Women’s Soccer” izy, mandritra ny taom-pilalaovana 2026 izay hanomboka amin’ny volana aogositra ho avy izao. Ahitana vatsim-pianarana ara-panatanjahantena “bourse sportive universitaire” ity fifanarahana ity, izay anisan’ny antony lehibe nanosika azy hisafidy ity oniversite ity. Raha ny fanazavany, nahazo tolotra fito avy amin’ireo oniversite amerikana izy, ka efatra tamin’ireo dia avy amin’ny NCAA Division I ary telo kosa avy amin’ny Division II. Na izany aza, nisafidy ny NWCC Rangers izy satria io no ahitana tombontsoa tsara indrindra ho azy amin’ity taom-pilalaovana ity, sady mbola ahafahany milalao amin’ny sehatra avo kokoa. “Tanjona ny hanatanteraka tsara an’ity taom-pilalaovana ity, ary avy eo hifindra amin’ny oniversite hafa izay mifaninana amin’ny diviziona voalohany NCAA I”, hoy i Iriko Tsiafoy. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nilalao tao amin’ny Disciples FC i Iriko Tsiafoy, ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea Futsal, ny taona 2025 lasa teo.
Fitia Randria




