Hita faty tetsy Ankaditoho Tsimbazaza, afakomaly maraina tamin’ny 6 ora, Ranaivoson Ndratoarilala, na i Bila, lehilahy 32 taona. Teo akaikin’ny sekoly FPVM no nahitan’ny mponina ny vatana mangatsiakany. Olona nandeha maraina no nahatsikaritra izany ka nampandre ny sefo fokontany. Ity farany no nampahafantatra ny zava-nisy tamin’ny polisim-pirenena. Mbola hita teny aminy avokoa ny fitafiana nanaovany, izay nahitana sweat capuche miloka manga sy short miloko sarim-boninkazo. Nahitana diana ra nanodidina ny razana. Nahitana ratra maro tamin’ny vatany, toy ny teo amin’ny faritry ny kibony sy ny lamosiny. Nivonto ihany koa ny handriny ary nahitana dian-kapoka ny tratrany. Noheverin’ny mponina teny an-toerana fa nianjera noho ny hamamoana ny nahazo ity lehilahy ity ka nahafaty azy. « Tombanana ho vono olona niniana natao kosa ny nihatra taminy, noho ireo ratra maro hita tamin’ny vatany », hoy ny teo anivon’ny polisy, tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana. Anisan’ny ekipa mpilalao baolina ao amin’ny Elgeco Plus ity lehilahy hita faty ity. Nisongadina tao amin’io ekipa io izy, indrindra nandritra ny lalao nifanaovan’izy ireo tamin’ny Kaizer Chiefs avy any Afrika Atsimo. Taorian’izay, nantsoina hanampy isa ny ekipam-pirenena Barea Chan ihany koa izy. Marihina fa monina eny Ankaditoho ihany ity lehilahy ity.
Mino




