Fahaleovantena niomerika : Fanamby hampivoarana an’i Afrika

Zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa niomerika afrikanina mba hiarovana ny angon-drakitra. Hampidirana ny teny sy ny kolontsaina afrikanina ao anatin’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy hampiroboroboana ny talenta sy ny fiaraha-miasa eto Afrika. Nivoitra izany nandritra ny hetsika “Africa Forward Summit”, natao tany Nairobi. « Africa must move from digital dependence to digital partnership », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, Andriamampiadana Mahefa. Heveriny fa anisan’ireo andry telo fototra hanatanterahana ny fanamby ny fametrahana Pan-African AI Compute Alliance na ny fikambanana panafrikanina ho an’ny herin’ny kajy amin’ny IA, hoenti-mampitambatra sy mizara ireo loharanon-karena. Mampivelatra “clusters” isam-paritra iombonana. Tokony hapetraka ihany koa ny sata kaontinantaly ho an’ny IA. Fanamby faharoa ny mifototra amin’ny fitsipi-pitondran-tena, ny “cybersecurité”, ny fampifandraisana, ny zon’olombelona ary ny fahasamihafana ara-kolontsaina. Fanamby fahatelo, hanampy amin’ny fahaleovantena niomerika, hoy ny minisitra ny fananganana tahirim-bola afrikanina ho an’ny IA, hanohanana ny start-up, ny fikarohana, ny fotodrafitrasa ary ny fampandrosoana ireo modely IA afrikanina “open source”. Notsindriny manokana fa mandray anjara feno amin’ny fivoaran’ny IA maneran-tany ny fananana vina iombonana ho an’i Afrika.

Henintsoa

Partager sur: