Fampisitrahana rano madio : Ilaina ny mandrindra ny asa hitondra vokatra ho an’ny vahoaka

Efa natolotra ny governemanta ny volana desambra 2025 ny politikam-panjakana amin’ny fampananana rano fisotro madio sy lalàna mifehy ny rano vaovao ary ny drafitrasa fanatanterahana ny politika.

Nisy ny antontanisa nivoaka avy amin’ny di­nika momba ny toe-piainan’ny ankohonana «MICS 2025» niarahana tamin’ny Instat mahakasika ny rano, fanadiovana ary fidiovana (EAH). 39% amin’ny mponina no mahazo rano madio, raha 7% monja no afaka misitraka fotodrafitrasa fanadiovana fototra, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny Unicef eto Madagasikara, i Christine Jaulmes, tamin’ity herinandro ity, teny Alarobia. Misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny ankizy (aretim-pivalanana, tsy fanjarian-tsakafo) sy ny fivoarany amin’ny ankapobeny (manapaka matetika ny fianarana) ny tsy fisitrahana rano madio. Matetika ny vehivavy sy ny ankizivavy no mantsaka rano ho an’ny filan’ny tokantrano isan’andro ary mandeha an-tongotra lavitra hatramin’ny 10 km izy ireo. Nisongadina tamin’izany, ireo tokantrano sahirana ara-pivelomana, tsy afaka mampiasa rano madio.
« Mametraka ho tanjona faharoa ny famatsiana rano madio ho an’ny mponina ny fitondrana amin’izao fotoana izao ka ilaina ny antontanisa avy amin’ny fanadihadiana, ahafahana mandray fanapahan-kevitra mahomby momba ny famatsiana rano madio sy ny fanadiovana ary ny fidiovana”, hoy ny minisitra tomponandraikitra, Dr Razafindria­niaina Minosoa Elia.
Mitentina 200 tapitrisa dolara isan-taona ny sora-bola atokana ho an’ny rano eto amintsika izay tsy mahasahana ny filana rehetra.
Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisiteran’ny Rano sy ireo mpiray ombon’antoka toy ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena, ny masoivohon’i Royaume Uni ary ny sehatra tsy miankina. Tanjona ny handrindrana ny asa, hanatsarana ny fisitran’ny vahoaka rano sy fahazoana mampiasa fotodrafitrasam-panadiovana ma­na­raka ny fenitra avy amin’ny fahafantarana ny antontanisa momba ny EAH.

Vonjy

Partager sur: