Kick Boxing : Fifaninanana iraisam-pirenena roa no miandry ny federasionina

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany i Madagasikara amin’ity taona ity, eo amin’ny taranja kick boxing. Efa miomana amin’izany ny federasionina.

Tsy niandry ela fa vantany vao lany, ny herinandro lasa teo, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny kick boxing dia efa nanatona ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Maro ny nodinihana nandritra izany, anisany ny fiatrehan’i Mada­gasikara ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ity taona ity. Hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena roa ny federasionina malagasy amin’ity taona ity dia ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao ny 21 hatramin’ny 27 jona izao, any Kameronina. Eo koa ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao ny volana septambra izao, any Italie. Mafimafy ny hiatrehana izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasionina, Rafidison José. Nisy, araka izany, ny fitsidihana nataony sy ny ekipany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, nifampiresahana mahakasika ireo fifaninanana ireo. “Amin’ny maha ray aman-dreny ny MJS no antony nanatonanay azy, mba hahafahana mijery izay herijika hitondrana atleta hiaro ny voninahi-pirenena”, hoy ny nambarany. Nohamafisiny ihany koa fa tsara ny vokatra azon’i Ma­dagasikara tamin’ny taon-dasa tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ka izany indrindra no tokony hananana solontena indray amin’ity.
Mahakasika ny fanomanana ireo atleta kosa, nanamafy ny filohan’ny federasionina fa tsy vita ao anatin’ny volana vitsy ny fanomanana. Efa nandritra ny taona no nisy ny fanazaran-tena. Fanamafi­sana fotsiny, hoy izy, no atao amin’izao ankatoky ny fotoana handehanana any Kamero­nina izao. Tsy mbola fantatra, hatreto, ny isan’ny atleta hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity.
Eo amin’ity taranja ity ihany, nanatona an’i Maître Kelly ihany koa ny filohan’ny FMKB sy ny ekipany, tamin’io andro io, nifampidinika izay tokony hifanampiana sy hifanohanana amin’ny fanatsarana ny kick boxing eto Mada­gasikara.

Mi.Raz

Partager sur: