Mandrosoa Ivato : Fito mirahavavy notanana am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja ireo fito mirahavavy voasaringotra tamin’ny halatra solosaina tao amin’ny tranombarotra iray eny Mandrosoa Ivato, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Niditra tao amin’ny toeram-pivarotana iray, mody mampiresaka ny mpivarotra ny roa tamin’ireo andiam-behivavy. Raha toa ka mbola misy mpiasa hafa, miditra an-tsehatra indray ny roa vavy hafa ary mampiresaka toy ireo namany. Manao ny asa ratsiny, araka izany, ny vehivavy tratra farany ka mihevitra ny tenany ho tsy misy maharaka ny fomba ratsiny. Nibata ny solosaina lafo vidy ireo roa vavy kanjo saron’ny « camera de surveillance » tao amin’io toeram-pivarotana io. Noraisim-potsiny, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, ireo mpanao ratsy. Miisa fito mirahavavy izy ireo no voasambotra tamin’io halatra tao amin’ny tranom-barotra iray teny an-toerana io. Karohina kosa ny vehivavy iray hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba.

Tsiferana R.

Partager sur: