Rugby – XXL Top 12: Hanohitra ny Uscar ny 3FB

Hotanterahina ny alahady 17 mey ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahasivy hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Fihaonana andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny Uscar sy ny 3FB. Hanala vela amin’ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ry zareo minisiteran’ny Faha­salamana. Hangotraka ny fihaonana satria samy manana ny fahaizany ny andaniny sy ny ankilany. Miverina anatin’ny heriny tanteraka amin’izao ny 3FB. Ao anatin’ny tanjany ihany koa ny Uscar. Tsy maintsy hitady fandresena amin’ity ny Zef’B mba ho tafiditra ao anatin’ireo manana lalao sakana. Etsy ankilany, hanamafy ny toerany amin’izany kosa ny ekipan’ny kaominina. Ankoatra izay, hifampitana ny Cosfa (Bebaoty) sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Mialoha ireo fihaonana ireo, ny lalaon’ny D1, vehivavy, ka hifampitana ny CEA Andranomanalina sy ny Fanja Anjanahary. Hanokatra ny fotoana kosa ny an’ny seksionina Atsimondrano ka hidona ny RCAA Anjezika sy ny FITA2A Ambodirano.

Tompondaka

Partager sur: